Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Distrikan’i Mahajanga II
Fanentanana ifotony sy fampitaovana ireo mpanjono madinika.

Nanatanteraka fihaonana tamin’ireo mpanjono ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Boeny ny faha 25 Martsa 2025 teo tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Boanamary.
Maromaro ny fifanakaloazana sy ny fifampizarana natao teto anisan’izany ny fanentanana mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono an-dranomasina ,fanentanana mahakasika ny fanajana ny tontolo iainana ny rohy voaary sy ny ala honko,fizarana karatra maha mpanjono ary fizarana fitaovana hoan’ireo mpanjono ara-dalàna toy ny harato,salotra vonjy aina sns.
Nanome voninahitra ny fotoana moa ny lehiben’i Distrikan’i Mahajanga II, ny Ben’ny Tanana Boanamary ary ny solotena avy amin’ny DREDD Boeny.Marihina fa ny DELC no nitondra ny tan-tsoroka nahafahana nanatanteraka izao fifampizarana izao.