Kaominina Ambanivohitra Ambalanjanakomby, Distrikan’i Maevatanàna, Faritra Betsiboka
Akon’ny taom-pambolen-kazo 2025
Ny faha 14 Febroary 2025 teo no nanatanterahana ny fambolen-kazo ho an’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) avy ao Betsiboka izay niarahana tamin’ny Fikambanan’ny Mpanjono FIMPA avy ao Ambalanjanakomby ary notontosaina tao amin’ny Kaominina Ambalanjanakomby ihany.
Zana-kazo miisa 500 izay nahitana zana-kazo mahabibo niisa 440 sy Kahya izay natolotry ny avy eo anivon’ny Fari-piadidian’ny Rano sy Ala (CIREF) ao Maevatanàna ary zanakazo manga miisa 60 avy amin’ireo Mpanjono FIMPA no novolena teo amoron’ny ranovory Besalohy mba hoentina hiarovana ity ranovory ity izay manana velarana 0,4Ha eo eo.
Tonga niara nisalahy tamin’ity fambolen-kazo ity ny Ben’ny tanàna tao an-toerana, ny Sefo fokontany ary ireo fokonolona ary nampahatsiahivina hatrany teto ny maha-zavadehibe ny ala eo amin’ny sehatrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga satria tsy misy ny Toekarena Manga raha tsy misy ny rano ary ny fambolenkazo no miteraka ny fisian’ny ala izay hampisy ny rano.