Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

JMO TOLIARA : FAMBOLENA HONKO

Rohy voahary miantoka ny fitomboana sy ny faharetan’ny fisian’ny hazan-dranomasina, ary fanatsarana ny fanjarian-tsakafo ny ala honko.Iankinan’ny fiainan’ireo mponina amorontsiraka sy ireo rehetra izay mivelona amin’ny Jono,ny fiompiana drakaka, fanangonam-bokatra ihany koa.
Ho fiarovana ireo harena anaty rano sy ho fanarenana indray izany ala honko izany dia nanatanteraka fambolena honko ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga izay notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert niarahana tamin’ireo sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo mpianatra sns ny 1 jolay 2023 tao amin’ny Fkt Andrevo Distrikan’ny Toliara II Faritra Atsimo Andrefana.
« propagule » miisa 130 000 no novolena tamin’ny velaran-tany 10ha, hetsika izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina.