Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ivohibe, Faritra Ihorombe : Fiofanana fiompiana trondro.

Anjaran’ny Kaominina Ivohibe, Distrikan’ Ivohibe, Faritra Ihorombe indray no nisitraka fiofanana amin’ny fiompiana trondro ny 13 sy ny 14 Oktobra 2023 ka tonga nanatontosa izany ny Fitalehavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe miarak’amin’ ny teknisianina FIMPIFI.
Tanjona hatrany ny hampita fahalalana mikasika ny fiompiana trondro mba hahafahan’ny maro hahazo asa hivelomana mba hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Mpiofana miisa 27 no tonga nanatrika izany fiofanana izany ary nanokatra izany ny Ben’ny Tanànan’Ivohibe, notronin’ny mpanolon-tsaina manokan’ny Faritra Ihorombe.