Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ivato, Faritra Analamanga
Fitsidihana ny Orinasa MAPROSUD

 

Nisy ihany koa ny fitsidihana ny Orinasa MAPROSUD izay niarahana tamin’Atoa Ministra MAHATANTE Paubert sy ny ekipa avy eo anivon’ny ASH.
Nanao ny fitsirihana rehetra amin’ny fampanarahan-dalàna no tena antony maha-zava-dehibe izao fitsidihana izao na amin’ny lafiny fitaovana ampiasaina, na amin’ny lafiny fahadiovana , na foto-drafitrasa, na kalitaon’ny entana, sns …

Nisy hatrany ny toro-hevitra nampitaina mahakasika ireo lalàna isan-karazany ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera sy ny Orinasa ary ny ASH.

Tsy mijanona hatreo fa mbola hitohy arak’izany ny fitsidihana amin’ireo orinasa hafa.