Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ivandry, Antananarivo Faritra Analamanga: Fihaonana tamin’ny delegasionina avy any Indonezia.

 
 
 
 

✅ Nisy ny fihaonan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’ny delegasionina avy any Indonezia izay notarihin’Atoa Minisitra Lefitra misahana « souveraineté maritime et énergie » ny 28 Aogositra 2023 teny Ivandry Antananarivo Faritra Analamanga. Tanjona tamin’ny fihaonana ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny tontolon’ny Toekarena Manga amin’ny fampivoarana izany, tafiditra anatin’izany ny fivoriana sy hetsika izay tohanan’ny AIS Forum izay tanterahina eto amintsika.

👉 Ny Firenena Indonezia dia efa nanome vatsim-pianarana sy fiofanana maro ho an’ireo teknisianinaantsika eto Madagasikara, vao volana vitsy lasa izay no nidina tany Anakao (Toliara ) izy ireo nampiofana ireo mpanjono amin’ny fametrahana ilay « Dispositif de Concentration de poisson » na ny DCP ka maherin’ny 50 isa ireo mpanjono no nandray anjara tamin’izany. Fehiny dia nahomby ny fifampiresahana ary mety hisy ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny fanjonoana sy ny Toekarena Manga amin’ny ankapobeany ary indrindra ny fiafanakalozana ara-tsiansa mba ho tombontsoan’i Madagasikara