Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ibis Ankorondrano, Antananarivo, Faritra Analamanga
Hamafisina ny fiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara

 

Betsaka ny olana hatrehana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ao koa ny fahaverezan’ny zava-manan’aina ary indrindra ny fahalotoana raha eto Madagasikara, betsaka arak’izany ireo firenena mifanome tanana mba ahafahana manatsara hatrany ny fiainan’ny vahoaka aty atsimon’ny Afrika. Ny Tetikasa MarCOSIO miaraka amin’ny vondrona maromaro dia hiaraka hifanome tanana amin’ny fiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara ka ny IHSM no hisolotena an’i Madagasikara ao anatin’ity fivondronana ity.

Betsaka ny zavatra eritreretina ho ataon’izy ireo eto Madagasikara, anisan’izany ny fijerena ireo Sambo rehetra izay mandalo eto amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, eo koa ny fanampiana ireo mpanjono sy sambo izay tratran’ny loza an-dranomasina, ny fijerena ireo Faritra izay mbola ahitana vokatra maro ary ny fampivoarana ny fihariana anaty rano.

Izany rehetra izany dia hiaraha-miasa miaraka amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny Ministeran’ny fitanterana sy ny famantarana ny toetrandro, ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny APMF, sns… izay mifanome tanana amin’ny fanatanterahana izao Tetikasa izao.

Nanatrika ny fihaonana voalohany niarahana tamin’ny Tetikasa MarCOSIO, A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, ny Minisitry ny fitanterana, RAMONJAVELO Valérie, sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.