Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Hôtel Vakinahandro,Kaominina Ambonivohitra Antsirabe,Distrikan’Antsirabe I,Faritra Vakinankaratra
Atrikasam-paritra ho fifanakalozan-kevitra sy ho fampandraisana andraikitra ireo hery velona rehetra voakasika momba ny sehatry ny Jono an-dranomamy tao Vakinankaratraizay.

Taorian’ny fikaroam-bahaolana momba ny fampandriana fahalemana eo amin’ny fiompiana trondro natao tany Amoron’i Mania dia nisy ihany kosa ny atrikasam-paritra ho fifanakalozan-kevitra sy ho fampandraisana andraikitra ireo hery velona rehetra voakasika momba ny sehatry ny Jono an-dranomamy eto Vakinankaratraizay natao ny faha 31 Janoary 2025.
Nanatrika izany ireo Fitaleavam-paritra isan-tsokajiny dia ny teo anivon’ny Jono sy Toekarena Manga, Varotra sy Fanjifana, Fanajariana ny Tany, Fambolena sy Fiompiana, ny Tontolo iainana ny teo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe ny Tale misahana ny Fampandrosoana eo anivon’ny Faritra ary ny solotenan’ireo mpanjono avy amin’ireo VOI mpikambana ao amin’ny koperativa FIFIMPAVA.
Taorian’ny famelabelaran-kevitra isan-karazany dia narafitra ny paikady iraisana hisorohana ny tsindry mihatra amin’ireo mpanjono araka izay azo atao. Naneho ny fahavononany amin’ny andraikitra manandrify azy avy ireo mpisehatra tsirairay.
Marihana fa ny tetikasa FANAINGA+ sy ny Koperativa FIFIMPAVA no nanohana ka nahafahana nanatanteraka izao atrikasa izao.