Hotel Les Roches Rouge, Kaominina Andrenivohitra Mahajanga, District Mahajanga I, Boeny
Atrikasa mikasika ny zaikabe nasionaly momba ny Jono makamba eto Madagasikara sy ny Tetikasa BIODEV 2030.
Notanterahina ny faha 27 sy 28 Febroary 2025 ny atrikasa mikasika ny zaikabe nasionaly momba ny Jono makamba eto Madagasikara sy ny #Tetikasa_BIODEV_2030.
Hita nandritra ny atrikasa ny fandinihana sy fankatoavana ny rafitra sy ny fiasan’ny sehatra ifarimbonana hoan’ny Jono makamba maharitra, ny fizarana ny vokatry ny fanadihadiana natao momba ny rafitra politika misy eo amin’ny Jono makamba. Teo ihany koa ny famantarana ny fanavaozana izay hita fa laharam-pahamehana sy ny famaritana faritra manan-danja manokana amin’ny Jono makamba. Tsy adino ny fampiroboroboana ny dinika nasionaly momba ny olana sy ny fomba mety hanatsarana ny Jono makamba.
Atoa Tale Jeneraly ny Jono no nanokatra sy nanome voninahitra ny fotoana ary ny #WWF no nitondra ny tantsoroka.