Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, Faritra Analamanga
Loabary an-dasy niresahana mahakasika ny « Transformation de l’Agriculture à Madagascar »

 

Nandritra ny hetsika lehibe izay natao hanomezan-danja ny mpamokatra sy ireo mpandraharaha ary koa ireo mpitsidika toy ity foara tanterahana mandritra ny 04 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ity dia misy hatrany ny fifampizarana traikefa sy torohay isan-karazany amin’ny alalan’ny loabary an-dasy entina handinihina lohahevitra mifandraika amin’ny Fambolena, ny Fiompiana, ny Jono, ny Indostria, sns…

Nandritra ny andro voalohany dia ny loabary an-dasy avo lenta no notanterahana izay niresahana mahakasika ny « Transformation de l’Agriculture à Madagascar » niarahana tamin’Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert (Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga), Atoa HAJARISON François Sergio (Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana), Atoa RASAMIMANANA Tiana (Filohan’ny SIM), Atoa RASOAMANANA Christian (Filohan’ny CNIM), Atoa HARY Landza (MGA).

Eo amin’ny sehatrin’ny Jono dia noresahan’Atoa Ministra ireo paikady entin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny resaka Fiompiana anaty rano hisorohana ny « surpêche » izay mahalany tamingana ny harena anaty rano. Eo ihany koa ny fanomezana fampiofanana maneran-tany ny Faritra, ny fametrahana ireo foto-drafitrasa toy ny « Unité de froid » sy ny « Unité de transformation », sns…