Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fandraisan’anjaran’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny FIA 2024

 

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny faha 12 Septambra 2024 tao amin’ny Forello Expo Tanjombato, Antananarivo, ny Foara Iraisam-pirenena hoan’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (FIA) 2024 Andiany faha-06.

Tanjona amin’izao Foara izao ny hampiakarana ny taham-pamokarana sy ny fijerena manokana ireo Tantsaha mpamokatra eny ambanivohitra mba hafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo araka ny voarakitra ao anatin’ny Politika ankapobeny Fanjakana (PGE).

Noho izany indrindra dia isan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny fametrahana Trano heva sy fandraisan’anjaran’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tamin’ny lohabary an-dasy.

Tonga nisolo tena an’Atoa Ministra nandritra ny fanokafana Atoa Talen’ny Kabinetra notronon’Atoa Sekretera Jeneraly sy ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga.