Fokontany Ambony Atsimo, Kaominina Ambanivohitra Ambohibary Sambaina, Distrika Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra
« Fianaraha-miasa eo amin’ny mpanjono sy ny mpiompy trondro »
Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fandrotsahana zanatrondro anaty farihy taona 2025 ny ao Vakinankaratra ankehitriny.
Isan’ny nanaovan’ny #koperativa_FIFIMPAVA fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny alalan’ny #tetikasa_FANAINGA+ ny mpiompy trondro iray ao Ambohibary ka nidina nanao ny fandrindrana izany ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Vakinankaratra.
Mahavokatra zanatrondro manodidina ny 20000 isan-taona Rtoa Nivo mianakavy ary mitentina hatrany amin’ny 3T isan-taona ny trondro matavy vokariny. Efa 20 taona no nanaovan’izy ireo izao asa izao ary hitany fa tena mahavelona.
Zanatrondro karpa miisa 9000 kosa no novidin’ireto mpanjono ireto teto ka haparitaka manerana ny farihy miisa 04 ato anaty ny Faritra Vakinankaratra.