Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fokontany Ambatorao, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
Fanolorana fotodrafitrasa ho fanohinam-bokatra Avy andranomasina

Isan’ny mamatsy vokatra andranomasina an’i Ambodifotatra izay ahitana olona betsaka indrindra ao Sainte Marie i Ambatorao noho izy isan’ny ahitana Mpanjono betsaka. 30km any amin’ny tapany avaratr’i Sainte Marie no misy azy. Mivoaka avy ao ny trondro, ny horita sy ny maro samihafa…
Natolotra ireo Mpanjono ity fotodrafitrasa ho fanodinana vokatra ity hahafahana manao fumage sy séchage ary manena ilay vokatra simba nohon’ny habetsahany. Ahitana efitra fanodinam-bokatra sy efitra fitahirizana vokatra ity toerana ity ary efa azo ampiasaina.
Faly ireo Mpanjono ary nankasitraka ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante izay notronin’ireo Olomboafidy sy Olomboafidy aty an-toerana.