Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

FOJAEB 2025
MANAMPY IREO TANORA ATY AFRIKA AMIN’NY FAMPANAN’ASA IZAY MITODIKA BEBE KOKOA AMIN’NY SEHATRY NY TOEKARENA MANGA

20 andro mialohan’ny fihaonam-ben’ny Tanora mahakasika ny Toekarena Manga eto Toliara dia mitohy hatrany ny famelabelaran-kevitra manodidina ny Fanantaterahina izany niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert.
Nosokajiana manokana ireo Tanora mpianatra ety amin’ny anjery manontolo ahafahan’izy ireo mahalala misimisy kokoa ny maha-zava-dehibe ny hetsika toy izao sy ny tombotsoa entiny amin’ny ho avin’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Ankoatr’izay Dia fotoana ihany koa Hampahafantatra an’i izao tontolo izao ireo Zavatra mampiavaka an’iMadagasikara amin’ny sehatry ny Toekarena Manga
Marihina hatrany fa Tanora maherin’ny 500 no andrasana andray anjara amin’ity fihaonam-be izay ho Tanterahina aty amin’ny Faritra Atsimo andrefana ity.