Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fkt Sotema , Secteur Ampasika, Mahajanga I, Faritra Boeny
Fizarana fitaovana hoan’ny mpanjono

 

Mbola eto amin’ny Faritra Boeny Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, manohy ny asa fampiroboroboana ny sehatrin’ny Jono sy fanohanana ireo mpanjono ao an-toerana amin’ny alalan’ny fizarana fitaovana.
Hoan’ny anio dia nitsidika ireo mpanjono tao Ambalamanga ny tenany notronon’Atoa Governoran’ny Faritra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary ny solotenan’ny GAPCM.

Tahaka ny natao tany amin’ireo toerana rehetra izay nolalovany dia nisy hatrany ny fifampizarana sy fifampitafana niarahana tamin’ireo mpanjono niampy fanentanana maro samihafa.

Nahazo fitaovam-panjonoana maro be ihany koa ireo mpanjono ao amin’ny Fkt Sotema satria izany no asa fiveloman’izy ireo ka entina hanatsarana io asa fihariana io no antony nanolorana azy ireo fitaovana enti-miasa ireo.

Fitaovana ahitana salotra vonjy aina miisa 200, « filet multifilament » sy ny kojakoja miaraka aminy ary « panneaux » famantarana toetrandro, sns…..

Teny an-toerana hatrany Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, nanolotra izany izay fiaraha-miasa niaraka tamin’ny GAPCM. Nanotrona azy tamin’izany ny Governoran’ny Faritra Boeny sy ireo solotenan’ny GAPCM ary ireo tale isan-tsokajiny.

Naneho ny hafaliany hatrany ireo mpanjono tamin’ny alalan’ny dihy ary nanome toky fa hanaraka tsara ireo fehezan-dalàna mahakasika ny Jono mba ho lovain-jafy.