Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fkt Manonilaza, Fkt Analila; Kaominina Ambanivohitra Masomelaka, Distrikan’I Mahanoro, Faritra Atsinanana
Hetsika eny ifotony ho fampanarahan-dalàna ireo mpanjono madinika

Notontosaina ny faha 30 Mey 2024 teo ny fanolorana karatra maha mpanjono matihanina miisa 39 ka ny 30 dia nozaraina ho an’ireo mpanjono avy ao amin’ny Fikambanana Mahazoriaka / Fkt Manonilaza ary ny 09 kosa dia hoan’ireo mpanjono izay mpikambana ao amin’ny Fikambanana Miray / Fkt Analila izay samy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Masomeloka, Distrikan’I Mahanoro, Faritra Atsinanana.
  Hetsika eny ifotony izay tafiditra indrindra amin’ny ezaka izay hilofosan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho amin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpanjono madinika.
  Nandritra izao fidinana izao ihany koa no nanolorana fitaovam- panjonona hoan’ireo mpanjono traha-pahasembanana miisa 2 ka natolotra azy ireo nandritra izany harato manara-dalàna miisa 9 avy, teo ihany koa ny “flotteurs” ary ireo tady.
   Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha- miasa avy amin’ny ONG Handicap International sy ny avy eo amin’ny DRPEB Atsinanana ary dia velom-pisaorana ny solontenan’ireo mpanjono teo ampandraisam-pitenenana no nanamafy hatrany ny fahavononan’izy ireo amin’ny fanentanana ireo namany hiroso ho amin’ny fampanarahan-dalàna ny asa fiveloman’izy ireo ary hanamafy ihany koa ny fanajàna ireo didy aman-dalàna mifehy ny jono mba ho tombontsoan’ireo taranaka any aoriana.