Fkt Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny
Fanentanana mahakasika ny fikatonan’ny Jono Oratsimba
Mba ho fanamafisana ny ezaka fandresena lahatra ny mpanjono hitsinjo hatrany ny hampaharitra ny Jono Oratsimba (Langouste) dia nitohy tao Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, Distrikan’i Manakara, ny fidinana ifotony narahana fanentanana nataon’ny ekipan’ny DRPEB Fitovinagny, ny faha 04 Febroary 2025, .
Nisy araka izany ny fampatsiahivana ny didy aman-dalana mamaritra fa mbola mikatona ny Jono Oratsimba amin’izao fotoana izao.
Amin’izao vanim-potona fahavaratra izao ihany koa dia nentanina ny mpanjono hanaraka tsy tapaka ny vaovao mahakasika ny toetrandro amin’ny alalan’ny fihainoana ireo onjam-peo (Radio) fa indrindra hampiasa ireo takelaka (panneaux) SAP izay nozaraina.
Nofaranana tao Andranodaro ny hetsika izay niresahana ireo tsara ho fantatra mahakasika ny ICAM.
Fokonolona sy mpanjono manodidina ny 90 no tonga nanatrika ireo hetsika ireo.