Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fkt Andranamby, Marosiky ary Sakanana, Kaominina Ambanivohitra Amporoforo, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana
Fampitaovana « Kits de sécurité en mer » hoan’ireo mpanjono

 

Ho fanohanana sy ho fiarovana ny ain’ireo mpanjono eo am-panatanterahiny ny asany ary koa mba hahafahan’izy ireo manatsarana ny velotenany dia nanatontosa fidinana ifotony tao Fkt Andranamby, Marosiky ary Sakanana, Kaominina Ambanivohitra Amporoforo, Distrikan’I Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana ny faha 8 Desambra 2023 lasa teo ka nandritra izany no nizarana fitaovana maro izay nahitana « combinaison », salotra vonjy aina, radio ary famantarana andro mahatanty orana miisa 77 hoan’ireo mpanjono tao amin’ireo Fkt 3 izay voatanisa etsy ambony.

Nanatrika sy nanome voninahitra izao hetsika fizarana fitaovana hoan’ny mpanjono izao ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Amporoforo izay notronon’ ireo Ampanjaka ao an-toerana sy ireo Sefo Fokontany.

Velom-pisaorana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ireo solotenan’ireo mpanjono izay nandray anjara fitenenana ary nahatsiaro fa tena misy ny fanjakana izay mitsinjo sy mahatsiaro azy ireo, porofoin’izao hetsika notontosaina izao.