Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fkt Ambinany, Analankininina ary Andatsadrano ; Kaominina Soanierana Ivongo, Distrikan’I Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo
Fanentanana ifotony ireo Mpanjono tao an-toerana

Ny talata faha 25 Febroary 2025 lasa teo dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Fkt Ambinany sy Analankininina ary Fkt Andatsadrano izay samy ao anatin’ny Kaominina Soanierana Ivongo ireo Teknisianina avy eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Analanjirofo izay narahina fampahafantarana sy fanentanana nahakasika lohahevitra maro.
Anisan’ny noresahina tamin’izany ny fampahafantarana ireo mpanjono ny mahakasika ny lalàna mifehy ny Jono an-dranomasina, teo ihany koa ny fanentanana ireo mpanjono momba ny fanampoizinana vokatry ny fihinanana haza an-dranomasina amin’ny fotoana mahavoarara izany na ny ICAM « Intoxication par la consommation d’Animaux Marins » satria mbola ao anatin’ny fotoanan’ny andro mafana isika izao.
Nofaranana tamin’ny fanentanana ireo mpnajono mba hiroso hatrany eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny fanentanana mba hahafahan’izy ireo hisitraka ireo tohana maro avy amin’ny Ministera. Nisy nandritra izao fidinana ifotony izao ny fanisàna ireo lakana izay mbola tsy manana laharana na « plaque d’immatriculation » ary resy lahatra ny rehetra fa hiroso avy hatrany amin’ny fametrahana ireo laharana isan-dakana tsy ho ela ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB izay hiaraka amin’ireto mpanjono ireto hanatontosa izany.