Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fivorina voalohany ara-potoana ny Komity marolafy mandrindra ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina

Tontosa androany tolakandro faha 13 martsa 2024 ny fivorina voalohany ara-potoana ny Komity marolafy mandrindra ny fampiroboroboana ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina (Cluster économie bleue et gouvernance de l’océan).
Raha tsiahivina dia ivondronan’ireo mpisehatra rehatra izay miasa amin’izany toekarena manga sy ranomasina ito komity ito.
Ny tanjon’izao fihaonana izao moa dia hanaovana jeritodika ireo asa notanterahana tamin’ny taona 2023. Nisongadina tamin’izany ny fahavitan’ireo antontan-kevitra maro : Paikady nationalin’ny toekarena manga (SNEB) sy drafitry ny famatsiam-bolan’izany paikady izany (PNIEB), ny Politika iarahana amin’ny fitantanana ny ranomasina (PIGO), ireo drafi-paritra ho fanajariana ny ranomasina (PSM).
Notanterina ihany koa ireo fihaonana maro samihafa sy ny fiofanan’ ireo mpikambana noentina nanamafisana ireo fahaiza-manao sy fahaiza-mitantana izany fampiroborobona ny toekarena manga izany.
Raha ny vinan’asa kosa dia miroso tanteraka amin’ny fampiharana izay voalazan’ny paikady sy ny politika ny rehetra ka apetraka hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpisehatra rehetra (intersectorialité).
Nohamafisina hatrany ny tokony hiarahan’ny rehetra mientana, mifanakalo hevitra ary mifampizara vaovao mba hanatsarana ny hai-tondra eo amin’ny fampiroborobona ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina eto Madagasikara.