Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

FIVORIANA ENTINA HAMPANDROSOANA NY FAMPAMOKARANA NY ATY RANO ETO MADAGASIKARA

Tanteraka soa amantsara ny fivoriana izay nihaonan’ireo tompon’andraikitra Voalohany eo amin’ny fitaleavana misahana ny Jono sy ny fampamokarana ny aty rano ny 20 Martsa lasa teo. Natomboka tamin’ny fampahafantarana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny fitaleavana ny fotoana.

Ankoatr’izay dia nisy ny fifampizaràna mahakasika ny zava-misy ankehitriny momba ny fampamokarana ny aty rano manerantany sy eto Madagasikara . Nisy ihany koa ny fijerena ny olana sy vinavina ho an’ny fiaraha-miasa amin’ity sehatra ity : fampiofanana amin’ny fiompiana trondro, fandrafetana ny torolalana amin’ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fampamokarana ny atirano , ny filàna rehetra na trondro izany ,na mpiompy trondro na ny « besoins en provendes pour combler le Gap de plus de 150 mille tonnes en produits halieutiques ».

Tonga nanatrika izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert sy ireo mpisehatra maro avy amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana. Niara-nanaiky arak’izany ny rehetra fa ny fiaraha-misalahan’ny Minisitera sy ny mpisehatra rehetra no hampandroso ny fampamokarana ny Atirano eto Madagasikara ka hisy arak’izany ny fananganana vovonana hifanakalozan-kevitra amin’ny fampandrosoana.