Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Filan-kevitry ny Ministra
Fanavaozana ny fifanarahana mikasika ny fanjonoana hiarahana amin’ny orinasa ANABAC sy ny orinasa DAE YOUNG FISHERIES

 

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Ministra omaly 08 Novambra 2023 ny fanavaozana ny fifanarahana mikasika ny fanjonoana lamatra (thons) ataon’ny orinasa ANABAC sy ny fanjonoana ataon’ny orinasa DAE YOUNG FISHERIES ao amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.

Tsara ny manamarika fa fifanarahana fanavaozana izao natao izao ka raha hoan’ny orinasa ANABAC dia mikasa ny hampiasa sambo mpanjono miisa 07 lehibe ity orinasa ity sy sambo lehibe 01 fanampiny (07 Senneurs et 01 navire d’appui) izay hanjono karazana trondro lamatra. Mampiasa tantsambo Malagasy miisa 23 ary ny fifanarahana izay ifanaovany amin’ny Ministera dia ao anatin’ny fanajana tanteraka ny didim-pitondrana laharana faha 31793/2021 tamin’ny 29 Desambra 2021 izay mamaritra ny vola aloa amin’ny jono an-dranomasina atao amin’ny fari-dranomasina eo ambany fiadidin’i Madagasikara mitentina 7 715 220 000 Ariary / taona.
Hoan’ny orinasa DAE YOUNG FISHERIES kosa dia mikasa hampiasa sambo mpanjono miisa 20 (20 petits palangriers moins de 100 GT) ary ny fifanarahana dia manaraka ny fifanarahana lasitra izay mampiditra ny fanamafisana ny fanaraha-maso, ny fizohiana sy ny fampiasana ny marika vaovao araka ny didim-pitondrana laharana faha 31793/2021 tamin’ny 29 Desambra 2021 izay mamaritra ny vola aloa amin’ny jono an-dranomasina atao amin’ny fari-dranomasina eo ambany fiadidin’i Madagasikara mitentina 1 019 160 000 Ariary / taona.
Izao fanavaozana fifanarahana izao dia hanan-kery ary haharitra 02 taona.

Raha atambatra ny fitambaran’ny vola ampidirin’ireto orinasa 02 ireto ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana dia mitentina 8 734 380 000 Ariary / taona. Marihana moa fa mirotsaka tanteraka any amin’ny tahirim-bolam-panjakana eo ambany fitantanan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ireo vola rehetra ireo.