Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fidinana ifotony tao amin’ny tapany an-tendron’ny Nosy Faly

Ravoravo sy velombolo ireo mponina ao amin’ny Fkt Andemby, Kaomina Ambanivohitra Antafiambotry, Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA, fa voalohany ho azy ireo no nisy Ministra tonga nitsidika ny tananan’izy ireo.
Nisy avy hatrany ny fangatahan’ny Sefo Fkt amin’ny hametrahana foto-drafitrasa toy ny « Chambre froide » izay namafisin’i Ben’ny Tanàna nandritra ny fandraisam-pitenenana fa na dia famokarana « glace » ary satria mpanjono laoka maventy izy ireo raha ny tantara ankoatra ny mahaloky ka lasa manahirana ny vidim-bokatra.
Velo-taraina ihany koa ireo mpanjono mba hanomezana vadin’asa azy ireo satria asa fanjonoana avokoa ny velontena fototra ny lehilahy amam-behivavy.
 Noho izany indrindra dia nanome toky Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert fa :
Hanolotra « Kits de sécurité en mer » miisa 50.
-Anisan’ny hisitraka « Filets multi-filaments » ihany koa rehefa tonga ny fotoana fizarana izany.
-Hisy ihany koa ny fampiofanana mahakasika ny « Transformation des produits ».
– Omena fampiofanana fiompiana trondro sy tolorana zanatrondro rehefa misy ny fizarana.
– Nampatsiahy hatrany Atoa Ministra fa misy ny fikatonan’ny jono mandritra ny fotoana fanatodizan’ny trondro, eo ihany koa ny antony ara-tsiantifika.
Mahakasika ireo sambo mpanjono vaventy kosa dia afaka atao tsara ny mitory azy ireo raha toa ka misy fandikan-dalana ka hanana porofo fa hentitra amin’izany ny Ministera.