FIANGONANA LOTERANINA MALAGASY , SINAODAM-PARITANY AFOVOANY
FIFAMPIZARANA NIARAHANA TAMIN’ATOA MINISITRA MAHATANTE PAUBERT
Nandritra ny fihaonam-be ny FANILO (FAmpandrosoana ANIvon’ny LOterana) sy ATN (Ampiasao ny Talentanao) Teto Antananarivo dia
Anisan’ny Liana amin’ny resaka manodidina ny Jono sy ny Toekarena Manga izy ireo Ankoatry ny Sehatr’asa izay hiandreketan’izy ireo eo anivon’ny fiangonana loteranina malagasy.
Tsy nisalasala arak’izany izy ireo nangataka an’A/ toa Minisitra MAHATANTE Paubert hifampizara sy hifanakalo hevitra amin’izy ireo mahakasika izany.
Efa misy amin’izy ireo ihany no misehatra amin’izany izay nanamafy ny fahaiza-manaony , ireo izay vao hiantsehatra Ary ireo izay Liana te ahafantatra ireo teknika sy ny vokatsoa azo avy amin’ny fiompiana trondro sns .
Solontena Mpandrindra FANILO 16 avy amin’ny synodam-paritany samy hafa ary Mpandrindra ATN Faritra 05 no niatrika ny fifampizarana izay mavitrika tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny alalan’ireo fanontaniana maro . Hirariana arak’izany fa hampihatra avy hatrany izay lesona azony manodidina ny Toekarena Manga sy fiompiana trondro izy ireo .
Anisan’ny Voaresaka tao ny fomba hamadiana ireo loharano ho lasa loharanombola amin’ny alalan’ny
Fitrandrahana ireo harena rehetra ao anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana .
Marihina fa Ny Toekarena Manga dia fitambaran’ny resaka Fanjonoana , fihariana anaty rano , fitanterana an-dranomasina, fizahantany mifandraika am rano, seranantsambo sy ny asa rehetra manodidina azy, angovo Azo avaozina mifandraika am rano , harenan-kibon’ny tany mifandraika am rano , tontolo iainana ahitana ny fanodidinana ny fako sns…