Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

FESTIVAL CAMÉLÉON 2025
Ho Tanterahina ao Amboasary Atsimo Faritra Anôsy ny andiany Voalohany

Anisany Mampiavaka an’i Madagasikara ny fananany ireo zava-manan’aina maro , ny 50% n’ireo dia tsy hita raha tsy eto amintsika izay miteraka harena sy laza ho an’i Madagasikara .
Ny festival caméléon dia hetsika iray entina ampahafantarina ireo zava-manan’aina rehetra ao amin’ny toerana iray . Nosafidiana manokana ny Faritra Atsimo nohon’ny fananany ireo harena voajanahary sy zava-manan’aina tsy fahita firy anisan’izany ireo karazana tanalahy sns..
Raha ho an’ny sehatry ny Jono indray dia manana ny Lac Anony Isika ao Amboasary izay ahitana karazana trondro toy ny Angera izay tsy fahita Raha tsy eto ihany koa izay handraisan’ny MPEB anjara . Mila harovana avokoa izy ireo Mbola ho fantatr’ireo taranaka any aoriana .
Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no anisan’ny Mpiahy ity hetsika andiany Voalohany ity , izay ho Tanterahina ny 13,14,15 Jona 2025 ho avy izao .Ny ONG Caméléon Madagasikara kosa no mikarakara ity hetsika ity.