Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Faritra Atsimo Atsinanana
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa GIZ/ASAM

ontosa ny faha14 Martsa 2025 teo ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa ASAM izay hiasa amin’ny Distrika telo amion’ny Faritra Atsimo Atsinanan dia n,y Distrikan’I Farafangana, Vangaindrano ary Vondrozo.
Akoatry ny famelabelarana mahakasika ny tanjona, ny fomba fiasa, ny fanolorana ireo ekipa mandrafitra ny tetikasa sy izay mombamomba ny tetikasa dia nisy ny fanotaniana maro naraham-baliny avy amin’ireo mpisehatra amin’ny fiompiana trondro izay nasaina.
Ny tetikasa GIZ/ASAM izay tanterahin’ny ONG APDRA dia hisehatra amin’ny fampirobiroboana ny fiompiana trondro mandritra ny 3 taona, 300 ireo mpiompy trondro hisitraka mivantana ity tetikasa ity izay kendrena ho vehivavy ny 30% amin’izany. Ny fampirobiroboana ny fiompiana trondro an-dobo, an-dobo barazy sy an-tanimbary no ho sahanin’ny tetikasa.
Nanome voninahitra izao lanonana izao moa ny Governora ny Faritra Atsimo Atsinanana, ny Prefektiora’I Farafangana notronon’ireo ben’ny tanana, ireo sefo Distrika avy amin’ny toerana hiasan’ny tetikasa.