Faritra Amoron’I Mania
Fitsidihina nataon’ny tetikasa GIZ
Ny faha 04 Martsa 2025 teo dia tonga tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ny mpitantana ny tetik’asa GIZ maneran-tany izay avy any Allemagne izay miandraikitra ny « Sécurité Alimentaire » sy ny mpandrindra ny GIZ eto Madagascar.
Nanao fitsidihana ny fiantraikan’ny asa rehetra izay novatsiany GIZ vola ka notanterahina taty amin’ny Faritra, nisy teo aloha dia ny PADM ary izao indray miditra ny ASAM izay ny ONG APDRA daholo no nanao ny asa taty.Niaraka nidina ifotony tamin’izy ireo ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Tekarena Manga Amoron’i Mania izay notarihin-dramatoa Talem-paritra, ny mpandrindra ny tetik’asa 4F/ASAM sy ny Talen’ny APDRA eto amin’ny Faritra Amoron’i Mania sy ny teknisianina ao aminy.
Nizara 2 mazava tsara ny fitsidihana:


Nahatsapa ireo mpiompy trondro fa nisy ny fivoaran’ny vokatra noho ny fiarahan’izy ireo niasa tamin’ny tetik’asa APDRA sy ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Joekarena Manga ato amin’ny Faritra tamin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny fanjohiana, eo ihany koa ny fahafahana nanamboatra barazy sy lakan-drano ahafahan’izy ireo hiompy trondro izay ahafahana mamatsy toeram-piompiana 40 Ha.
Teo iany koa ny fananganana fikambanana eo anivon’ny Kaominina na VMK izay mivondrona ao amin’ny VMR.
Mbola mitohy hatrany ny fiarahamiasa eo amin’ny mpamatsy vola ny tetik’asa ary indrindra ny fahatsapany ny ezaka sy ny fivoaran’ireo tantsaha mpiompy trondro.