Faritra Ambovombe Androy
Fivoriana ho famahana ny olan’ny rano aty Atsimo

Isan’ny vahaolana fohy ezaka natolotr’Atoa MEAH ny fanampiana 05 hafa ireo kamiao citernes izay 03 ihany no sisa mandeha sy ny fanatsarana ny resaka fizarana mba hitovy tsy misy zanak’i kalahafa. Ny fanafangainana ireo asa fanamboarana ny fantsona Mandrare-Sampona, barrage Havelo Mandrare sy ny Efaho ary ny fijerena loharano hafa toy ny ao Antsira ao Antanimora Atsimo.
Ny MPEB kosa dia nitondra rano amin’ny kamiao 1.220 bidons jaunes avy any Ifaho izay ho zaraina mivantana amin’ireo Fokontany izay tena voamafy ary mbola miandry ireo 1.300 bidons jaunes ambiny avy any Toamasina izay nalefa sambo. Ireo no ho taterina amin’ny kamiao tsotra ary ho fenoina mivantana eny Mahavelo manditry ny fotoana ilana azy. Mifameno avokoa ny asa atao iarahana amin’ny Mpiaramiombonantoka rehetra toy ny ACF, UNICEF…
Nanentana hatrany ireo Minisitra mirahalahy fa mila mifanampy sy mifanohana isika manoloana izao vokatry ny fiovan’ny toetrandro izao ary nanamafy fa tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana eo am-pitadiavam-bahaolana.