FARIHY LEHIBE AKADINONDRY SAKAY
ZANA-TRONDRO MIISA 10 000 NO NAROTSAKA.
Miisa 8 ny Farihy ao Akadinondry Sakay,ny 6 amin’ireo no nandrotsahana zana-trondro miisa 10 000 izay hetsika natao nandritra ny fambolekazo tao an-toerana.
Nisy ny fanomezana ireo zana-trondro ireo tamin’ny fikambanan’ny mpanjono ao an-toerana izay Ahitana renin-trondro miisa 5 Ary trondro lahy miisa 4.
Nandritra izany dia Nisy hatrany fanazavana tsotsotra nataon’A/toa Minisitra amin’ireo teknika rehetra Rehefa mandrotsaka zana-trondro.
Nanotrona Ary Niaraka nandrotsaka ny zana-trondro hatrany ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana,ny Governoran’ny Faritra, Sy ireo manam-pahefana eny ifotony.
Hita nandritra izany fa maro be ireo Liana ny hampiroboroboany sehatry ny fanjonoany aty amin’ny Faritra Ary Vonona ny hampihatra ireo teknika rehetra.