Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Farihin’i Mantasoa, Kaominina Mantasoa, Distrikan’i Manjakandriana, Faritra Analamanga
Fandrotsahana zanatrondro Tilapia

 

Mitohy hatrany ny hetsika fampiroboroboana ny sehatry ny Jono amin’ny alalan’ny fandrotsahana zana-trondro, hoan’ny androany dia tao amin’ny farihin’i Mantasoa no nanaovana izany ka zanatrondro Tilapia miisa 40.000 no narotsaka izay tafiditra anatin’ny vanim-potoana fikatonan’ny Jono.
Marihana fa anisan’ny mampalaza an’i Madagasikara ity farihy ity satria dia midadasika tokoa, manana velarana 2.000ha ary tsy voajanahary fa asa-tanan’olombelona, etsy andanin’izany dia maro ny mpanjono mivondrona anaty fikambanana samihafa no mivelona amin’io farihy io.

Tanjona ny hitantanana maharitra ary hamerenana ireo harena ao anatin’io farihy io mba ho tombotsoan’ny rehetra indrindra fa ny mpanjono satria tsapa fa efa mihena ny vokatra.

Nandritra izany dia nisy hatrany ny fanentanana nataon’Atoa Minisitra ireo mpanjono mba tsy hampiasa ireny harato kely maso tsy manara-penitra ireny ary koa nanamafisana fa mbola ao anaty vanim-potoana fikatonan’ny taom-panjonoana ny farihin’i Mantasoa ka ilaina ny fanarahan-dalàna rehetra. Nisy ihany koa ny fandoroana ireo harato kely maso tratra nandritra ny fisavana natao.

Tonga teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa MAHATANTE Paubert niaraka tamin’ireo delegasiona avy eo anivon’ny Ministera nanatontosa izany.

Marihana fa izao no tanteraka dia nohon’ny tantsoroka avy amin’ny orinasa Acipencer.