Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana
Fampiofanana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovana samihafa ao anatin’ny « Complexe de pêche »

 

Natomboka avy hatrany ny fampiofanana ireo mpitarika ao anaty Koperativa hitantana ny « Complexe de pêche » ao Farafangana ny faha 29 Oktobra 2023.

« Congélateurs » miisa dimy , « Machine à glace » iray ary « Chambre à froide » miisa roa, afaka mitahiry vokatra 10m3 isany avy no hita ao anatin’ity « Complexe de pêche » vao vita ao Farafangana ity.
Fitaovana mandeha tanteraka avy amin’ny angovo vokarin’ny herin’ny masoandro.

Ny ekipa avy ao amin’ny orinasa SELF no nampiofana mahakasika ny fikojakojana sy fampiasana ireo milina mahakasika ny famokarana hatsiaka ary ny orinasa MAJINCO no nampahafantatra mahakasika ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro izay mampihodina ity toerana ity.
Marihana fa afaka mamokatra « glace » ara-dalana ity toerana ity ary hita fa tafidina hatrany amin’ny -18°C ny hatsiaka ao amin’ny « Chambre froide ».

Velom-bolo sy velom-pisaorana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ny fitondram-panjakana ny solotenan’ny Koperativa ka nanome toky fa hitandrina sy hanaja ireo fitaovana natolotra azy ireo.