FAO & MPEB
MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY FANANTATERAHINA NY FAMPIVOARANA NY FAMOKARANA ETO MADAGASIKARA AMIN’NY ALALAN’NY FIHARIANA ANATY RANO (TRANSFORMATION AGRICOLE) .
Tontosa ny herinandro lasa teo ny fikaonan-doha mahakasika ny fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara na ny « Trasformation agricole » izay nandraisan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara tamin’ny fanomezan-danja manokana ny #Fihariana_anaty_rano.
Ho an’ny FAO ,ity fihariana anaty rano na ny aquaculture ity no ho avin’ny tontolon’ny fanjonoana manerantany ka ilaina ny Fanamafisana ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny sehatra izay miandraikitra izany. Arak’izany dia Manampy an’ny Ministera izy ireo amin’ny Fanampiana ireo mpanjono hiady amin’ny resaka #ICAM , ny fampitaovana azy ireo eo ihany koa ny fametrahana ireo sekolin’ny Jono ao Faux cap sy Diego sy ny maro hafa.
Nanantateraka fitsidihana ara-pomba fifanajana tao amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert ireo Solotenan’ny FAO aty atsimon’ny Afrika A/toa Patrice Talla Takoukam sy ny solotenana maharitry ny FAO eto Madagasikara A/toa Charles BOLIKO izay Efa niara-niasa tamin’ny MPEB hatramin’izay nifampitafa mahakasika ireo ezaka entina hampiroboroboana ny sehatry fihariana anaty rano ahafahana mampiroboro ny famokarana eto Madagasikara .
Tsara ny manamarika fa ny FAO dia mpanolotsaina ny Minisitra amin’ny fampiroboroboana ny sehatra izay hiasany.
#MPEB #FAO #FIARAHA_MIASA .