Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fanolorana tsena vaovao ho fivarotana hazandrano hoan’ny vahoaka ao Morombe

 

Ny volana febroary farany teo, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza, no namita iraka taty Morombe Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert sy ireo Mpiaramiasa aminy. Tamin’izany fotoana izany no nitsidihany ireo Mpivarotra trondro izay nangataka ny hanaovana izao tsena izao.

Vola madiodion’ny Vahoaka Malagasy no nanamboarana izao tsena izao izay tafiditra amin’ny projets d’investissement public fantatra amin’ny hoe PIP. Mahafa-pahasahiranana ny vahoaka eto Morombe ity tsena ity raha toa ka nivarotra sy nanjifa trondro tamin’ny tany sy fasika izy ireo teo aloha.

Ahitana fivarotana vita amin’ny akora mangilatra na carreaux, misy jiro sy rano mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary tena Manarapenitra tokoa ity toerana ity. Nankasitraka ny Fitondram-panjana ireo olomboafidy sy olomboantendry ary ireo Mpanjono sy mpivarotra trondro.