Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Jono Mahaloky

Toy ny fanao isan-taona dia ny 01 Avril no misokatra ny jono Mahaloky taty Ampansindava, Anjamanoro (Nosy Faly), Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA. Tsiahivina fa 700 ka hatramin’ny 900 taonina ny vokatra azo ny taona 2023 izay ny volana Aprily ka hatramin’ny volana jona. Mahatratra 18 taonina ny vokatra tamin’ny andro voalohany. Manodidina ny 03 ka hatramin’ny 05 taonina isanandro kosa ny vokatra amin’ny ankapobeny.
 Olana atrehina eto ny fahasimban’ny fotodrafitrasa toy lalana nohon’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane ka mety hanasarotra ny fandefasana ny vokatra mankany SAVA sy ivelan’ny DIANA. Ampiasaina avokoa ireo complexes des pêches rehetra aty Avaratra izay ahitana chambres froides hitahirizana ireo vokatra tsy lafo.
Nanokatra ny Jono Mahaloky aty Nosy Faly Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert ary notronin’ireo Manampahefana sy Mpiaramiasa aminy aty amin’ny Faritra DIANA.