Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ORINASA MALAGASY FAMOKARANA SAKAFON-TRONDRO ARBIOCHEM.
Ambohimangakely

Rehefa nahavita ny andrana ara-teknika rehetra na teny anivon’ny mpiompy izany na tamin’ireo vokatra dia nisokatra amin’ny fomba ofisialy ny #Orinasa #Malagasy voalohany lehibe indrindra amin’ny #famokarana #sakafon_trondro na ny #ARBIOCHEM .Orinasa mamokatra sakafon-trondro #karpa sy #tilapia amin’ny refiny 3mm ka hatramin’ny 4mm izay #tsara_kalitao ary amin’ny #vidinymirary.
Manodidina ny 257 000 taonina isan-taona ny filàna sakafon-trondro eto Madagasikara ka hanatrarana izany dia ilaina ny fisian’ny Orinasa toy itony ary tanjona ny hampihenana hatramin’ny 10% ny vokatra hafarana avy any ivelany izay mbola tena lafo.
Reharehantsika ny fisian’ity orinasa ity satria Malagasy avokoa na ireo mpiasa na ny tompony izany hoe manome asa ho an’ireo tsy an’asa eto Madagasikara ary indrindra fa Tafiditra tanteraka anatin’ny resaka transformation agricole amin’ny sehatry ny fihariana anaty rano Raha nambaran’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert.
Ny hirariana dia hanenika an’i Madagasikara manontolo ny orinasa #ARBIOCHEM. Satria Anisan’ny mandray anjara feno amin’ny fampiodinana ny harikarena eto Madagasikara.
Mbola Ambony tokoa ny filana eto Madagasikara ka tsy vitan’olona iray fa mila mifanampy ary izao ihany koa no midika fa mahavita Isika malagasy Raha ny nambarany hatrany .
Nosokafan’A/toa Minisitra #MAHATANTE_Paubert tamin’ny fomba ofisialy izany izay notronin’ny Filoha tale Jeneraly #Rivo_Andriamanalina , ny talen’ny fiompiana sy fampamokarana anaty rano Rtoa #Lantovololona_Felaniana .