FANDRIAM-PAHALEMANA AN-DRANOMASINA
MANDRAY ANJARA AMIN’NY FIHAONAMBE IZAY TANTERAHINA MANDRITRA NY DIMY ANDRO I MADAGASIKARA
Radisson Blu, Antananarivo , 24 Février 2025.
Firenena miisa 9 no mivondrona eto amintsika amin’izao fotoana izao izay ahitana Afrique du Sud, Comores, Djibouti, Kenya, Madagasikara, Maurice, Mozambique, Seychelles Ary Tanzanie izay ahitana mpandray anjara miisa 50 ao ihany koa ireo « agence » miisa 26 hanatanteraka ny fihaonam-be hiresahana ny fandriampahalemana an-dranomasina izay karakararin’ny Africa Center for Strategic Studies (ACSS).
Ny Olana manodidina ny fahandriampahalemana an-dranomasina na ny filaminana an-dranomasina dia zava-dehibe loatra ho an’ireo firenena manamorona ny ranomasina toa an’i Madagasikara.
Tsy vitan’ny firenena iray izany fa mila mifanampy ahafahana mifampizara traikefa ka anisan’izany ny governemanta Amerikanina sy ireo firenen-kafa . Ao anatin’izany ihany koa ny fifanampian’ireo Ministera hafa toa an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny , ny Ministeran’ny foloalin-dahy sns…
Raha Ho an’ny sehatry ny Toekarena Manga dia miankina betsaka amin’ny filaminana an-dranomasina no hampaharitra izany indrindra ny ady amin’ny resaka « pêche INN » (Jono tsy manara-dalana ,tsy voafehin-dalana Ary tsy voafanambara) dia tsy olana ho an’i Madagasikara irery fotsiny fa olana manerantany , ahoana Ary no ahafahana Mifanome vaovao sy antotam-baovao ho an’ireo firenena manodidina antsika ahafahatsika tena miady amin’izany.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ity fihaonambe ity Ary aharitra 5 Andro. Nanokatra izany ny Ambasadaoron’i Etazonia miasa eto Madagasikara sy Kaomoro Claire Pierangelo sy ny Lefitry ny Komandy Misahana ny Fiaraha-miasa Sivily sy Miaramila eo anivon’ny AFRICOM ny Ambasadaoro Robert Scott ary ny Sojaben’ny Africa Center Dr. Assis Malaquias niaraka tamin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert.