Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Famaranana ny fakan-kevitra Nasionaly hanomanana ny fivorian’ny CTOI 04.05.2023

✔️ Ny 04 Mey 2023 no namaranana ny fankan-kevitra Nasionaly hanomanana ny fivoriana faha 27 ny CTOI na ny fivondronan’ireo firenena mpanjono Lamatra aty amin’ny Faritry ny ranomasimbe Indianina, izay namolavolan’ireo mpisehatra rehetra ireo tolo-kevitra maro hoentin’ireo solontenan’i Madagasikara hiatrika izany fivoriana izany ahafahana mametraka amin’ny toerana tokony hisy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny Jono Lamatra.

👉 Tsiahivina fa ny 08 hatramin’ny 12 Mey 2023 no hanatanterahina ny fivorian’ny CTOI ao amin’ny Nosy Maorisy. Tonga namarana tamin’ny fomba ofisialy izany fakan-kevitra Nasionaly moa Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert .