Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

FAKAN-KEVITRA MAHAKASIKA NY TRAIKEFA HANANAN’I MADAGASIKARA MANODIDINA NY FAHANDRIAM-PAHALEMANA AN-DRANOMASINA

Nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpandray anjara nandritra ny fihaonam-be hiresahana ny fandriam-pahalemana an-dranomasina ny amin’ny Fomba ahafahan’i Madagasikara miady amin’ny Jono tsy manara-dalana ,ireo paikady rehetra na fitaovana ahafahana miatrika izany toy ny Sambo haingam-pandeha ,ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra miady amin’ny Jono tsy manara-dalana ( Global Fishing Watch , FiTI sns…). Fifampizarana traikefa Rahateo no tanjona amin’izao fihaonana izao satria ady iraisana ny fiarovana ny ranomasimbe indianina.
Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert no Nitarika izany nandritra ity fifanakalozan-kevitra ity.