Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ezanavo sy Erakoke, Kaominina Ambanivohitra Maroalomainte, Distrika Ambovombe Androy, Faritra Androy
Fizarana fitaovana hoan’ny Mpanjono

 

Tanana izay isan’ny ahitana Mpanjono maro ny eto Erakoke, izay tsy lavitra ny Ezanavo. Samy mamatsy trondro an’Ambovombe avokoa ireo tanana ireo izay ahitana Mpanjono telo arivo eo ho eo.

Matetika itrangan’ny loza an-dranomasina ireo toerana ireo nohon’ny toetrandro miharatsy izay mahatonga ny ranomasina hanonja be. Mpanjono am-polony izay no lasa tsy hita popoka tao anatin’ny 20 taona lasa araky ny filazan’ireo Olobe.

Manoloana izany dia nisy ny fizarana « Kits de Securité en mer » miampy fitaoavana maro samihafa hanatsarana ny tontolon’ny asa fanjonoana. Nampiavaka ity hetsika ity ny fizarana jiro mandeha amin’ny masoandro izay sady manazava ireo tanan’ny Mpanjono no azo atao famantarana na « balises » rehefa mitody amin’ny alina.

Nanatanteraka izao fidinana ifotony izao Atoa Minisitran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo mpiara-miasa aminy aty an-toerana. Hitohy amin’ny tananan’ireo Mpanjono maro aty Androy izao hetsika izao hanamafisana ny fisorohana ny loza an-dranomasina.