Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Espace Dera, Tsiadana, Antananarivo

 

Notanterahana tao amin’ny Espace Dera, Tsiadana, Antananarivo, ny faha 13 Septambra 2023 ny atrikasa fanaovana tatitra ny asa notanterahan’ny Vondrona Resolve mahakasika ny tomban’ny tahiry na « Évaluation des stocks » sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny teknisian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga mahakasika ny sampam-piharina miisa 5 laharampahamehana dia ny drakaka, ny orita, ny zanga na dingadingana, ny makamba ary ny oratsimba.

Naharitra 12 volana ny fitambaran’ny fotoana lany nanaovana fandalinana sy fampiofanana ireo teknisiana niarahana tamin’ny mpanamahay avy ao amin’ny Resolve, fiaraha-miasa niaraka tamin’ny IRD sy ny IHSM, notohanan’ny Tetikasa SwioFish2 vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola.
Ireo faritra voakasika isaky ny seham-piharina tsirairay no nanatontosana ny asa.
Ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera avy ao amin’ny DESP kosa no nandray anjara tamin’ny fiofanana.

Zava-dehibe hoan’ny Ministera ny fahazoana izao vokatra izao satria anisan’ny fitaovana iray lehibe entina mametraka ny fitantanana ny jono, mamaritra sy manombatombana amin’ny ankapobeany ny tahirin’ny vokatra hoan’ireo sampam-piharina 5 ireo mba hafahantsika manana paikady vaovao mba hitantanana sy hifehezana amin’ny fomba maharitra ireo harena voajanahary ireo.

Ankoatra izay fitanterana ny asa izay dia nisy ihany koa ny fanolorana ny mari-pankasitrahana na ny « Certificat » hoan’ireo mpiofana miisa 10 eo anivon’ny Ministera nanaraka fiofanana manokana mahakasika izay tomban’ny tahiry na « Évaluation des stocks » izay.

Tonga nanokatra sy nanome voninahitra ary namarana tamin’ny fomba ofisialy izao atrikasa izao Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga TILAHY Désiré.