Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Distrika Mitsinjo, Fkt Antsakoamanera, Kaominina Matsakambanja, Faritra Boeny
Fanatsarana ny asa fiharian’ireo Mpanjono

 

Tsy adinon’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, ny nitsidika ny Distrikan’i Mitsinjo izay atao 4 ora amin’ny Sambo haingam-pandeha miala ny renivohitr’i Mahajanga ny faha 28 Novambra 2023.
Tonga niaraka taminy ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana sy ireo delegasiona avy eo anivon’ny Ministera ary ireo mpiara-miombona antoka isan-karazany misehatra amin’ny Jono.

Mivelona amin’ny sehatry ny Jono avokoa ny mponina ao amin’ity toerana ity ka nankasitraka tanteraka amin’izao fandalovan’ny Minisitra mpiahy azy ireo izao. Nisy araka izany ny fifampitafana mivantana narahana fanentanana maro isan-karazany hanatsarana ny velontan’ireo mpanjono.

Manao ny ezaka rehetra hanatsarana ny asa fiharian’ireo Mpanjono ny avy eo anivon’ny Ministera izay tarihin’ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert. Anisany tena manampy azy ireo ny fanomezana fitaovana enti-miasa entina hampitomboana ny vokatra ary koa ireo fitaovana hiarovana ny ain’izy ireo. Natolotrin’i Ministra azy ireo izany androany niaraka tamin’ireo delegasiona sy ny solotenan’ireo mpiara-miombona antoka eo amin’ny sehatry ny Jono (Refrigepêche,Pêchexport, Somapêche).

Narahana fanentanana hatrany ny fihaonana teo amin’izy ireo mahakasika ny fitaovaona tokony hampiasana.