Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Dakar, Sénégal
Atrikasa fampiofanana fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano

 

Firenena 07 no misitraka ny tetikasa UTIDA na « Outil de prise de décision en matière d’investissement dans l’aquaculture » izay andraisan’i Madagasikara anjara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Atrikasa hampiofanana ho fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano amin’ny fampiasana ny UTIDA no atrehin’ireo avy ao amin’ny MPEB ka ny tanjona dia ny fanomezana vahana ireo fomba famokarana mahomby hoan’ireo mpamokatra mba haharitra amin’ny alalan’ny politika sy fandaharanasa mifototra ara-tsiansa, ny fikarohana vaovao ara-teknika sy ny fampiroboroboana ireo sehatra tsy miankina.

Tanterahana ny faha 27 Novambra hatramin’ny faha 02 Desambra 2023 ao Dakar, Sénégal ny atrikasa.

Marihana moa fa ny FAO – FMM/GLO/180/MUL no mamatsy vola ity tetikasa ity.