Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Centre Botovasoa Antsiranana I, Faritra Diana
Atrikasa fifampidinihana regionaly

Notanterahina tao Antsiranana ny 24 Aprily 2025, ny « Atrikasa regionaly momba ny famolavolana ny boky torolalana ho an’ny fametrahana Rafi-pandrindrana ho Fanajariana ny Fari-dranomasina (PSM) eto madagasikara » ,izay notarihain’ny Ministeran’ny Fanapariaham-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany #MDAT, ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB, ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy #MEDD niaraka tamin’ny fanohanan’ny #WWF.
Ity atrikasa ity dia nahafahana nizara tamin’ny fomba mahomby ireo antanatohatra efa vita tao anatin’ity dingana manan-danja ny #PSM sy nanangona antontan-kevitra tena ilaina avy tamin’ireo mpisehatra an-dranomasina tao amin’ny Faritra Diana.
Nivohitra tamin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny momba ny firafitra sy ny andraikitra ny #COPIL, ny fitantanana ny angon-drakitra an-dranomasina,ny fomba fisorohana sy fitantanana ny fifandonana, ary ny fanamafisana ny fahaizamanao an’ireo mpisehatra ao an-toerana ho an’ny fampiharana mahomby ny PSM eto Madagasikara.