Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

CCI, Tsimenatse I, Toliara
Fihaonana ho fanamafisana ny fikarakarana ny #FOJAEB

Ny faha 17, 18 sy 19 ny volana Aprily izao no ho tanterahina ao Toliara ny #FOJAEB na ny  » 𝐅𝐨𝐫𝐮𝐦 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐮𝐬𝐬𝐞 𝐏𝐚𝐧𝐚𝐟𝐫𝐢𝐜𝐚𝐢𝐧𝐞 𝐬𝐮𝐫 𝐥’𝐄𝐜𝐨𝐧𝐨𝐦𝐢𝐞 𝐁𝐥𝐞𝐮𝐞  » na ny Fivoriamben’ny Tanora Panafrikanina momba ny Toekarena Manga andiany faha 2.
Tonga any Toliara ny Minisitry ny Jono sy Toekarena izao maraina izao hivory amin’ireo sokajin’olona maro samihafa mba samy hifarimbona hifanome tànana amin’ny fikarakarana sy ny fanatanterahana izany ho tombotsoan’i Madagasikara. Nanamafy ny hambopon’ny rehetra izao fihaonana izao ary nifanome toky ny hifanohana.
Fihaonana voalohany natao niaraka tamin’ireo Orinasa miantsehatra amin’ny Toekarena Manga eto Toliara izao natao izao izay notarihin’Atoa Minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert izay notronin’ireo Mpiaramiasa anaty Kabinetra sy Fitaleovam-paritra any ifotony.