CCI Ivato, Antananarivo
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara » na « Journées de concertation nationale sur la transformation agricole », Andro voalohany
Nisokatra androany faha 23 Janoary 2025 ny « Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara » na « Journées de concentration nationale sur la transformation agricole » izay haharitra 02 andro, tanterahana ao amin’ny CCI Ivato.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany Atoa Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, notron’ireo Ministra sy Olom-panjakana, olom-boafidy ary ireo tompon’andraikitra maro eto amin’ny Firenena.
Samy nanamafy avokoa ireo nandray fitenenana amin’ny fahavononana hiara-hiasa ho fampitomboana ny vokatra eto Madagasikara ka hahatonga antsika ho sompitry ny Ranomasimbe Indiana ary hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo araka ny vina sy ny tanjon’Atoa Filoham-pirenena.
Nanamafy ihany koa Atoa Filoha fa hametraka tetikady maty paika, anisan’izany ny fanomezana fitaovana manaram-penitra ny tantsaha sy fanamboarana foto-drafitrasa ary fanohanana ireo tantsaha entina hampiakarana izany vokatra izany.
Tsy maintsy ho avotra ary handroso i Madagasikara araka ny vina izay napetraka hoy hatrany Atoa Filoha namaranany ny fandraisam-pitenenany.
Nandray anjara tamin’ny ady hevitra mahakasika ny vina sy traikefa entina hampandrosoana ny sehatra misy azy ihany koa ireo Minisitra izay nandraisan’A/toa MAHATANTE Paubert fitenenana nentiny nanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fiompiana trondro sy ny fampiakarana ny vokatra hazandrano entina manatratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo.