Camp ENSOA Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
Famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana manam-boninahitra lefitra nandritra ny fanamarihana ny « Andron’ireo manam-boninahitra lefitra »
Notontosana teo anivon’ny ENSOA Antsirabe ny faha 31 Janoary 2025 hatramin’ny 01 Febroary 2025 ny fanamarihana ny « Andron’ireo manam-boninahitra lefitra » ka tonga namaly ny fanasana sy nanotrona izany ny DRPEB Vakinankaratra sy ny ekipany.
Nasongadina nandritra izany ireo ezaka rehetra vita teo anivon’ny Sekoly vokatr’ireo fiaraha-miasa isan-karazany ka tsy latsa-danja amin’izany ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy nandritra io fotoana io ihany koa ireo mpiofana manam-boninahitra lefitra rehetra ny taona 2024 ka nisy tamin’izy ireo nisafidy manokana ny taranja « Fiompiana trondro ».
Hita sy tsapa miroborobo ihany koa ny « Station vitrine » ankehitriny izay azo sokajiana ho ZEP satria ahitana ny singa rehetra mahakasika ny fiompiana trondro ary efa maro ireo tanora mpianatra nandray soa avy aminy.
Trondro matavy an-taonina no niakatra ary efa manatavy ireo zana-trondro novokariny ny ENSOA ankehitriny (10 000 Alevins carpes).
Miisa 500 mahery kosa no nampiofanina hiompy trondro na sivily io na miaramila ka notolorana fankasitrahana avy amin’ny ekipan’ny DRPEB Vakinankaratra.
#MPEB #DRPEBVakinankaratra #ENSOA #FiompianaTrondro