Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Besorohitra Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony
Fivoriana niarahana tamin’ireo mpivarotra trondro an-dranomamy sy an-dranomasina anaty trano na « Poissonnerie ».

Toy ny fanao isan-taona dia tontosa ny faha 19 Marsa 2025 ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpivarotra trondro an-dranomamy sy an-dranomasina anaty trano na  » Poissonnerie » rehetra ato anatin’ny Distrikan’ny Fianarantsoa l.
Natao izao mba handrindrana ny asa eo amin’izy ireo indrindra ny fahazoana ny antotan’isa aram-potoana. Nijerena vahaolana miaraka amin’ny olana sedrain’izy ireo. Nisy ny fanentanana alohan’ny fandraisana andraikitra entitra ho an’ireo izay mandika ny lalàna.