Fkt Namora,Kaominina Tangainony,Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Fanomezana tantsoroka teknika momba ny fiompiana trondro.

Mpiasam-panjakana efa misotro ronono no nisafidy ny fiompiana trondro ho ataony ho asa fototra sy fivelomana no notsidihan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Atsimo Atsinanana ny faha 21 Novambra 2025 teo.Efa manana dobo miisa 8 izy ary dobo fanangonan-drano 30 ara eo ho eo. Nomena ny toro-marika ara-teknika samihafa izy toy ny fanajariana ny toearam-piompiana, ny fanatsarana ny lalan-drano manary rano ary tsy adino ny toro-hevitra mikasika ny teknika fiompiana trondro sy ny fomba famarotana ny vokatra ao aorian’ny fiotazana mba hijerena lalambarotra hanampiana azy amin’ny fandraharahana izay hataony sy hiteraka vokatra maro hoan’ny rehetra izay miara-miasa aminy amin’ity seha-pihariana ity. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Kaominina Ambanivohitra Sabotsy Namehana, Distrikan’Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Akon’ny fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo ivelan’ny tany.

Miara-miasa ny fanjakana sy ny fiangonana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ho fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro.Araka izany dia nisitraka fampiofanana momba ireo teknika fototra hahafahana mampahomby ny fiompiana trondro an-dobo ivelan’ny tany ny Fikambanan’ny Lehilahy Kristianina (SLK) avy ao amin’ny FJKM Ambohinaorina, Sabotsy Namehana. Miisa 29 mianadahy ireo tonga nisitraka izany ny faha 21 Novambra 2025 teo. Antenaina fa hampiakatra ny vokatra trondro azo jifaina eto amin’ny faritra Analamanga izao fampiofanana vao notanterahina izao ka hampisy fiantrainkany eo amin’ny lafiny sosialy sy ara- Toekarena eny ifotony mba hampisy ny fampandrosoana mirindra. #MPEB#DRPEB#SLK#FJKM_Ambohinaorina#Analamanga#Fiompiana_trondro.
Distrikan’i Maevatanana,Faritra Betsiboka. Fidinana ifotony mandritra ny vanim-potoana fikatonan’ny jono.

Mandritra izao vanim-potoana fikatonan’ny Jono izao dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ireo Kaominina maro samihafa ao anatin’ny Distrikan’i Maevatanana ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ( DRPEB ) Betsiboka sy ny ONG Impact Madagascar. Ny Fanentanana ny amin’ny tokony hanajan’ireo mpanjono ireo fepetra rehetra mandritra ny vanim-potoana fikatonan’ny jono izao no tena tanjona tamin’izao fitsidihana sy fidinana izao izay nanomboka ny faha 18 ka hatramin’ny faha 21 Novambra 2025 teo ka notsindriana mafy tamin’izany ny mahazava-dehibe ny vanim-potoana fikatonan’ny Jono mba hahafahan’ireo hazandrano mitombo sy miha lehibe mba hisy ho lovainjafy sy hampisy ny fampandrosoana mirindra eny ifotony. #MPEB #DRPEB_Betsiboka #ONG_Impact_Madagascar #Jono_maharitra #Toekarena_Manga
Kaominina ambanivohitra Ambinanindrano, Distrikan’Ambositra, Faritra Amoron’i Mania . Akon’ny fampiofanana fiompiana trondro manakaiky vahoaka.

Kaominina anisan’ny sarodalana ao anatin’ny distrikan’Ambositra ny kaominina Ambinanindrano.Tsy nahasakana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Amoron’i Mania nizara fahalalana fototra mikasika ny fiompiana trondro tany anefa izany. Tantsaha niisa 46 avy any an toerana no nisitraka izany ny faha 20 Novambra 2025 teo.Nanome ny tantsoroka nahafahana nanao izao fampiofanana izao ny Appui sectoriel »izay tohana avy amin’ny Vondrona Eorepeanina .Vonona ny hampihatra ny fanofanana azony izy ireo hampitomboana ny famokarana trondro ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. #MPEB#DRPEB#Amoron’_mania#asa_manga# Fandraharahana_Manga# PPSPAS
Faritra Alaotra Mangoro Akon’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jono madinika.

Anisan’ny seha-pihariana manan-danja ho an’ny toekarena Malagasy sy antom-pivelomana ho an’olona maro an’isa ny jono madinika. Manoloana izany dia tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jono madinika ny tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro . Notanterahina tamin’ny alalan’ny hetsika fandrotsahana zana-trondro no nanamarihana izany fotoana izany izay natao tao amin’ny Distrikan’i Moramanga sy Ambatondrazaka ny faha 21 Novambra 2025. Zana-trondro tilapia miisa 10.000 sy karpa 5000 no narotsaka tamin’ny farihy niisa telo izay farihy tsy mbola nahitana tsindry ka izay no antony nosafidianana azy. Marihina fa ny taona lasa dia nankalazaina tao Ambatondrazaka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny jono madinika io ka mba ho fitohizan’izay hetsika izay indrindra no anton’izao fandrotsahana zana-trondro izao ho tombontsoan’ireo mpanjono madinika sy hanatrarana ny fampandrosoana mirindra izay andraisan’ny rehetra Anjara. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Jono_madinika_maharitra #Toekarena_Manga
Kaominina ambanivohitra Vohidahy, Distrikan’Ambositra, Faritra Amoron’i Mania. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro eny ifotony.

Sehatra iray mbola tena malalaka ny fiompiana trondro ary singa iray mandrafitra ny Toekarena Manga. Izany no anisan’ny antony mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga # MPEB manohy ny hetsika momba ny fampiofanana maimaimpona izay miompana amin’ ireo teknika fototra mba hahafahan’ireo tantsaha ho matihanina amin’izany. Tantsaha 46 mianadahy avy ao Vohidahy no nisitraka fiofanana izay teo ambany fitarihan’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga # DRPEB Amoron’i Mania ny faha 18 Novambra 2025 teo. Na dia teo aza ny fahasoratana maro samihafa toy ny faharatsian-dàlana izay mampifandray ny kaominin’i Vohidahy sy ny renivohitry ny faritra dia tsy nahasakana ny ekipa izany ka tontosa soamantsara ny fampiofanana mba hanamarihana ny fahavononana hanampy ireto tantsaha hanana fari-piainana tsaratsara kokoa amin’ny alalan’ny fandraharahana madinika izay hiteraka tombony ara-tsosialy sy ara-toekarena ho azy ireo sy hoan’ny tanàna ihany koa. Ny tantsoroka avy amin’ny Appui Sectoriel no nahafahana nanatanteraka izao fidinana ifotony izao. #MPEB #DRPEB #Amoron_i_Mania #Fiompina_trondro #Fandraharahana_Manga #asa_Manga #PPSPAS
Kaominina ambanivohitra Ranotsara Avaratra sy Iakora, Distrikan’Iakora, Faritra Ihorombe. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro narahina fizarana tohana.

Tantsaha miisa 32 avy ao amin’ny kaominina Ranotsara sy Iakora izay samy ao anatin’ny distrikan’Iakora no nahazo tohana sy fiofanana izay nomen’ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena DRPEB Ihorombe ny faha 18 sy 19 Novambra 2025 teo. Amin’ny maha rantsa-mangaikan’ny Ministera azy dia manohy ny fanatanterahana ireo asa sy fidinana eny ifotony. Zana-trondro niisa 3000 no nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro tao Ranotsara Avaratra ary narahina fampiofanana izay nitondrana fanazavana ara-teknika momba ireo lohahevitra maro toy ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fomba fanamboarana sakafo hoan’ny trondro sy fitantanana azy. Lohahevitra niompana tamin’ny teknika fampiterahana sy famokarana zana-trondro karpa kosa no nozaraina tamin’ireo mpiofana tonga naitrika tao Iakora. Tanjona ny hanomezana tantsoroka ireo tantsaha misehatra amin’ity seha-pihariana ity mba hahafahana manohana azy ireo ka afaka hiroso bebe kokoa amin’ny fandraharahana sy famoronana asa manga mahavelona ihany koa. Hitera-bokatsoa maro izany na eo amin’ny lafiny ara-tsosialy na ara-toekarena isan-tokantrano ary hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa . #MPEB #DRPEB #Ihorombe #Fampiofanana_fiompiana_trondro #Fampandrosoana_mirindra #Asa_manga #Fandraharahana_Manga
Ampandrianomby, Antananarivo-Faritra Analamanga. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo ONG ho fampandrosoana maharitra ny Tontolon’ny Jono sy ny Fihariana anaty rano.

Tontosa anio faha 19 novambra 2025 tao amin’ny efitrano fivorian’ny Ministera tao Ampandrianomby ny fihaonana sy dinidinika ara-teknika izay niarahana tamin’ireo ONG sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB). Fihaonana izay teo ambany fitarihan’Atoa Ministra, CHAN KIT WAYE Jaco ary notronin’ireo tompon’andraikitra maro eto anivon’ny Ministera . Nambaran’ Atoa Ministra teo ampandraisam-pitenenana fa manana anjara andraikitra lehibe ireo ONG satria izy ireo no mpiara-miisa voalohany amin’ny Ministera amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sy ireo tanjona kendren’ny Ministera toy ny fanatsarana sy fanomezan-danja ny harena anaty rano, ny fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro. Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanatsarana hatrany ny vokatry ny asa iombonana eo amin’ny roa tonta dia nisy ny fampahafantarana ny drafitrasa izay ho tanterahin’ny Ministera mandritra ny taona ho avy ary narahina famelabelarana mikasika ny anjara andraikitr’ ireo ONG tsirairay avy amin’ny paikady momba ny fitantanana sy ny fanomezan-danja ny harena voajanahary anaty rano. Izao fihaonana teo amin’ny MPEB sy ireo ONG izao dia dingana iray lehibe hanamafisan’ny roa tonta amin’ny finiavana hanatratra miaraka ireo teboka lehibe izay mamaritra ny fototry ny fanarenana sy ny fanavaozana misy ankehitriny amin’ny alalan’ny famoronan’asa sy fanohanana ny fandraharahana ary ny fampandrosoana mirindra sy andraisan’ny rehetra anjara. #MPEB #ONG #Fiaraha_mientana #Fampandrosoana_mirindra #Fandraharahana #Jono #Toekarena_Manga
Kaominina ambanivohitra Antsirabe, Distrikan’Atsirabe II, Faritra Vakinankaratra. Akon’ny fitsidihana toeram-piompiana trondro.

Maro ankehitriny ireo olona maniry ny hisehatra amin’ny fiompiona trondro matihanina noho ny fampiofanana sesilany tanterahin’ny ekipan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB.Araka izany dia nitsidika toeram-piompiana midadasika ao anatin’ny Distrikan’Antsirabe II ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Vakinankaratra ny faha 18 Novambra 2025 teo. Ity toerana ity izay efa ahitana fotodrafitrasa lehibe hahafahana mampiroborobo ny fiompiana trondro sy mamaly ny filàn’ny tsena any an-toerana izay mifandraika amin’ny laharam-pahamehan’ ny MPEB amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fihinanana trondro hoan’ny Malagasy. #MPEB #DRPEB #Vakinankaratra #Fiompiana_trondro #Toekarena_Manga
Ampandrianomby Antananarivo Faritra Analamanga. Fihaonana teo amin’ny MPEB sy ny BIANCO.

Fanetriben’ny firenena sady mampihena ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny fisian’ny Kolikoly.Izany indrindra no mahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB manao vaindohan-draharaha ny ady atao amin’izany noho izy isan’ireo mampiditra vola betsaka. Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an’A/toa Minisitra CHAN KIT WAYE Jaco ho fanamafisana ny fiarahana miady amin’izany ireo delegasiona avy amin’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly #BIANCO niaraka tamin’ireo ekipa avy amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly sy ny fangaraharana (STAC) eto anivon’ny MPEB androany faha18 Novambra 2025. Vontoatin’ny fihaonana ny fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hiadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny Ministera ary notsindrian’A/toa Minisitra fa tsy azo leferina ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny rehetra eto anivon’ny Ministera iadidiany.Aorian’izao fihaonana izao dia hisy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’ny MPEB sy ny BIANCO. #MPEB #BIANCO #AdKolikoly
