Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Atrikasa iraisam-pirenena mahakasika ny Jono tsy Ara-dalana tsy Voafanambara ary tsy Voafehin-dalana

Notanterahina androany tao amin’ny Novotel ny fanokafana ny Atrikasa mahakasika ny Jono tsy Manara-dalana tsy Voafanambara ary tsy Voafehin-dalana na Pêche INN ny 10 aprily 2024 tao Novotel Antananarivo Madagasikara, izay iarahan’ny Seham-panjakana ny sy sehatra iraisam-pirenena izay ahitana ny TMT sy ny Global Fishing Watch.
  Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Ministera mahakasika amin’ny fiadina amin’ny Jono tsy Manaradalana, tsy Voafanambara sy tsy voafehin-dalana ka tanterahina mandritra ny 3 andro ny Atelier izay hiresahana indrindra ny mahakasika ny fitsirihina ny vokatra avy amin’ny Jono tonga eny amin’ny seranatsambo mifototra amin’ny atonta-baovao ( renseignements).
   Marihina moa fa ny TMT sy Ny Global Fishing Watch dia sehatra iraisam-pirenena miady amin’ny Jono tsy Manara-dalana , ary izy ireo dia manampy firenena Afrikanina maro amin’ny fomba fanantanterahana ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalana izay mifototra amin’ny fanarahamaso eny amin’ny Seranatsambo na ny antsoina amin’ny teny baiko hoe  » Mesures du Ressort de l’Etat du Port (AMREP) »