Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Atrikasa fiofanana ho fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny seha-barom-panjakana

Tanterahana mandritra ny roa andro (18-19 Aprily 2024) ao Ampefy, Faritra Itasy, ny fiofanana ho fanatsarana ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny seha-barom-panjakana hoan’ireo mpiasan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga voakasika izany.

Niompana tanteraka tamin’ny fampahafantarana ny lalàna velona mahakasika ny fikirakirana ny volam-panjakana misy eto amin’ny Firenena ny fiofanana niarahana tamin’ny ekipan’ny « Contrôle financier » miasa eo anivon’ny Ministera avy ao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

Taorian’ny famelabelarana nataon’Atoa « Délégué » dia nisy ny fifanakalozana miendrika fanontaniana naraham-baliny nentina namaranana ity andro voalohany ity izay mbola hitohy rahampitso.